You are currently viewing Discours de M. Njaka Tsirofo Rasoloarison représentant l’ASMF lors de la cérémonie de célébration du 100ème des anciens

Discours de M. Njaka Tsirofo Rasoloarison représentant l’ASMF lors de la cérémonie de célébration du 100ème des anciens

Père Rektora, ianareo Mpiandraikitra isan-tokony eto an’ivon’ny Kolejy, ianareo maintimolaly rehetra ary ianareo zandry,

Dingana lehibe eo amin’ny fiainanareo izao nahazoanareo mari-pahaizana Bakalorea izao.

Miarahaba anareo manokana izahay zokinareo Maintimolaly avy any lafrantsa izay soloiko tena eto (ASMF).

“Mahaleova mahalasana ary tongava amin’ny ambony indrindra.”

Singanina manokana eto ianareo fito mianadahy izay mendrika indrindra tamin’ny sokajy nisy anareo avy.

Ankafaliana lehibe ho anay maintimolaly any Frantsa no manolotra anareo etoana fanomezana ho mariky ny ezaka lehibe nataonareo.

Ho fitaratra sy ho ohatra ho an’ireto zandrin-tsika manatrika eto ianareo. Aza mandraraka ilo mby an-doha.

Manaraka izany, misy fanomezana maro samihafa ihany koa tianay maintimolaly any Frantsa atolotra ho anareo Mpiandraikitra isan-tokony eto amin’ny Kolejy :

  • 130 Boky vaovao fampianarana Mathématique, Physique-Chime.
  • Fampitaovana samihafa sy ari fomba vaovao ny Laboratoire ny Kolejy (Agitateur magnétique chauffante, Centrifugeuse, Bain-marie et sonde température, Chauffe ballon, 2 balances de précisions, kit de distillation, PH-mètre, Carte du monde des mouvements tectoniques ary accessoires isan-karazany)
  • Fampitaovana samihafa ho an’ireo Mpianatra technologie (7 Caisses à outils, 25 paires de chaussures de sécurité neufs)
  • Fampitaovana amin’ny fitandrovana ny aretina COVID-19 (12 boites de 50 masques chirurgicaux et 12 vaporisateurs de produits désinfectants de surface)

Mangataka anao Andriamatoa Rektora handray an’ireo ary fanomezana ireo ary hitsinjara azy ireo araka ny tokony ho izy.

Eto dia misaotra manokana an’ireo mpikambana nanampy, ireo malala-tanana, ny GP Mada Services tamin’ny fikarakarana ny fahatongavan’ireo entana ireo teto an-toerana, ny Président ny ASM Andriamatoa Aina ANDRIANANRISOA sy ny Komity.

Mbola ho betsaka ny hetsika kasainay Maintimolaly avy any Frantsa atao ary ho hitanareo miandalana eo.

“Miorim-paka, hanasoa Olona”